Recherchez vite sur Wikipedia

Résultats de recherche

vendredi 28 octobre 2016

Bizna hafa: Jombilo mpanera

Tsy matsiro, feeling jombilo”, hoy ilay hiran’I Rahkiky izay, saingy na tsy matsiro aza, tsy vitsy ny olona manao azy na miasa amin’ny sehatra manodidina ny fanaovana jombilo. Mitady vola amin’ny fomba mora… Trangam-piarahamonina maro mpahalala ihany ity fa tsy dia sahin’olona ny miresak’azy. Ety ampiandohana dia tsara marihina fa ny atao hoe jombilo dia irony lehilahy velomim-behivavy irony, eto anefa dia tsy izay fa lehilahy manera vehivavy amin’ny vazaha ka mahazo vola kely rehefa mety ny atao.
Tsy dia maro mpanao ity asa iray ity eto an-drenivohitra noho ny efa fandrosoana satria efa mahay miresaka amin’ny vahiny mivantana ny vehivavy eto fa any amin’ny faritra no mbola betsaka ny mila olona hanera azy amin’ny vahiny.
Ireo tovovavy matetika no roboka amin’ny fanakaramana lehilahy hanera azy amin’ny vahiny mpizahan-tany, na dia raràn’ny lalàna aza ny fanaovana izany, dia betsaka ny manao azy saingy tsy misy mahita. Ny fialana amin’ny resak’olona hoe “mpivaro-tena iny vehivavy iny”, no tena mahatoga azy ireo hitady mpanera.
Tena asa mahavelona ny fanaovana ity asa ity, hoy ny tovolahy iray mipetraka amin’iny morotsirak’I Toamasina iny, satria tsy dia sarotra loatra fa resaka fampidiran-dresaka fotsiny no atao dia efa vola. Betsaka noho ny mandeha miasa birao ny vola azo aminy. Ny rendrarendra vita, ny ambiny amin’ny vola azo hividianana akanjo sy kiraro ary finday, misy aza tena mahazo fiara sy trano mihitsy.
Ny fandraisan’olona ny fanaovana jombilo dia toy ny mahamenatra nefa zavatra fitadiavam-bola toy ny asa rehetra fotsiny ihany. Nefa inona moa no tokony ho fanalam-baraka amin’izany, fiainana daholo izany.
Isika Malagasy mantsy dia mandray izany ho tsy mifandray amin’ny soatoavina Malagasy, mamoafady ny fanaovana jombilo satria ny lehilahy no tokony ampidi-bola ao an-tokantrano. Moramora amin’ny Malagasy ny mahare fa ny lehilahy efa lehibe afaka miaraka amin’ny vehivavy tanora kely ary etohany ny fiainany toy izay ny vehivavy no manao izany toetra izany. Safidin’ny tsirairay ny fomba itondrany ny fiainany ka tokony ahamenatra ve izany? Tokony anaraka ny fivoarana ve ilay fomba fijerintsika Malagasy ny fanatontoloana sa dia ijanona ampitoerana eo?




9 commentaires:

  1. PC Full Crack
    ipadian premium
    backuptrans free license key
    cardrecovery registration key number
    xlstat crack
    spotify premium crack pc download
    I am very thankful for the effort put on by you, to help us, Thank you so much for the post it is very helpful, keep posting such type of Article.

    RépondreSupprimer
  2. I am very thankful for the effort put on by you, to help us, Thank you so much for the post it is very helpful, keep posting such type of Article.
    Microsoft Office 365 Crack
    Microsoft Flight Simulator
    Sysinternals Suite Crack

    RépondreSupprimer
  3. A tomfoolery and instructive programming can speed up by up to 4x. Composing Master 10 Crack shows you how to really utilize all the keys on your console. This product will basically expand your capacity by utilizing various activities and tomfoolery games. Malwarebytes 4.5.0.256 + Crack Full Download

    RépondreSupprimer
  4. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer