Recherchez vite sur Wikipedia

Résultats de recherche

jeudi 27 octobre 2016

Ahoana no ahalalana fa miodina ramose ?

Raha tsiahivina vetivety ny fampianarana omen’ny fiangonana mialohan’ny fanambadiana dia mahatadidy ny tsirairay fa anisan’ny zavatra mampikorontana ny tokantrano ny fampirafesana sy ny endrika isehoany. Mialoha ny hahafahana mamaly ilay fanontaniana anefa dia tsy maintsy fantarina ny antony samihafa mety mahatonga an-dRamose hihodina.  Matetika dia fitenin’ny vehivavy ny hoe “ianareo lehilahy mitovy daholo ary mihodina daholo”. Fa angamba kosa tsy azo faritana amin’izany teny izany ny antom-pisin’ny fampirafesana. Raha ny kolontsaina maha olona fotsiny dia ahafahana sahady miteny fa ny lehilahy dia mijery vehivavy ary ny vehivavy dia mijery lehilahy.

Ny kolontsainam-piarahamonina no mahatonga ny lehilahy mandroso ny teny voalohany ary ny vehivavy kosa no miandry hatonina. Amin’ izao vanim-potoana iainantsika izao anefa dia tsy tena mitombina tsara intsony izany (vakio lahatsoratra Alloallo for women). Ny antony, matetika indrindra, mahatonga ny lehilahy mihodina  dia ny fisin’ny olana ao an- tokantrano, izay miteraka tsy fahafaham-po sy fahandisoam-panatenana ho azy.Izany dia mety miseho amin’ny endrika maro: eo amin’ny lafin’ny firaisana ara-nofo, eo amin’ny lafin’ny fifandraisana amin’ny fianakaviana, eo amin’ny lafiny ara-bola sy ny fitantanana azy na  koa eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina .

 Ny antony faharoa dia mety avy     amin’ny fifandraisany manokana amin’ny vadiny, araky ny  fahatsapany amin’ny maha lohan’ny fianankaviana azy, ny tokony ho fitondratena amin’ny vadiny. Ny endrika hisehoan’izany matetika dia eo amin’ny lafiny fifanomezam-pahasoavana sy fahafinaretana avy amin’ny firaisana ara-nofo. Tafiditra amin’izany, ny faharetan’ilay firaisana, ny fomba fanaovana azy, sy ny fandaharam-potoana hanaovana azy. Mibahan-toerana matetika io resaka firaisana ara-nofo io ao anatin’ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny lehilahy amin’izy hihodina na tsia.

Ny antony fahatelo dia avy amin’ny kolontsainam-piarahamonina. Matetika ankehitriny misy rivo-baovao mitsoka eo amin’ny fomba fisainana sy eo amin’ny fomba fifandraisana amin’ny samy mpitovo mpisipa ohaotra, izay mety manana fomba manokana  hahafahany mampiseho ny fifankatiavany. Ohatra amin’ny izany ny fanomezan-dalana samy malalaka, hijery an-kavia na ankavavana , samy anao izay tiany atao amin’ny lafiny itiavany azy. Indraindray anefa izany tsy ifanarahan’ny mpivady, fa voafindran’ny aretina any amin’ny fiarahamonina, any amin’ny toeram-piasana, any amin’ny fikambanana maro samy hafa misy an-dralehilahy na misy an-dravehivavy ihany koa aza.

Ny antony fahaefatra dia ilay ataon’ny vahiny hoe: “Crise de la quarantaine”. Matetika rehefa manodidina ny fahaefam-polo taonany ny lehilahy dia mahatsapa tena ho somary mandroso amin’ny taona. Nefa  kosa , ny atidohany tsy manaiky izany ary mandefa signal ka ny vokatr’izay dia lasa mitondra tena toy ny zatovo valo ambiny folo taona ny lehilahy efapolo taona. Tsy  miafina amin’iza na iza angamba ny zavatra ataon’ny zatovo valo ambiny folo taona.  Manao ahoana kosa ny fisehon’ny fampirafesan-dramose ? Samy manana ny fisehoany ny lehilahy tsirairay avy. Hafa ny zzava-mitranga rehefa eo amin’ny telompolo taona eo no hitrangan’ny fampirafesana.  Hafa ihany koa ny fitrangany raha aty aorianan’ny efapolo taona no hitrangany. Fa ny atolotra anao eto dia ny tranga iombonan’ny fampirafesan-dralehilahy. Ezahana ny amaly ny fanantaniana manao hoe: “Ahoana no alalana fa miodina Ramose?? Ampatsiahivina antsika mpamaky fa valim-panontaniana avy amin’ny ramose maromaro no entina amintsika eto. Voalohany amin’ny izany dia ny mety hisin’ny fandeferana tampoka avy amin-dramose manoloana ny zavatra naha tezitra azy foana teo aloha. Raha nisy izany zavatra nation-dravehivavy ka nahatezitra an-dramose hatrizay dia tampotampoka eo, tsy fantatra loatra izay antony, tsy nisy resaka natao na fandaminana noraisina dia tsy nahataitra azy intsony ary tsy nahatezira azy intsony. Ny endrika faharoa isehoany dia raha taloha i Ramose be fanontaniana na misava ny finday mihitsy aza dia tokony ho mailo raha miova amin’izay fomba fanaony izay izy aty aoriana. Atreto aloha raha zoina dia toa ohatrin’ny manome endrika filaminana ao an-tokantrano satria tsy misy gidra. Ny endrika fahatelo isehoan’ny fampirafesan-dramose dia lasa mahana lalandava ao an-tokantrano. Tsy mametraka ny finday eo amin’ny toerana mahazatra intsony fa vimbinina lava, na lasa asiana mot de passé mihitsy aza ho an’ny sasany. Ny endrika hafa ihany koa alalana fa misy raha la terra. Misy namany lehilahy lasa diso miresaka matetika loatra aminy amin’ny finday ohatra na mifanao fotoana aminy, kanefa tsy misy ifandraisany amin’ny asa aman-draharaha ataony. Ho an’ny sasany aza dia solooina mihitsy atao anaran-dehilahy ny anaran-drazazavavy ao anaty finday. Ka mahatsikaiky rehefa tsy tsaroana fa maro loatra ohatra. Izany endrika maro samy hafa izany dia tsy ilaozan’ny fodiana tara na ihany koa fandehanana diso mialoha loatra, fiondranana matitika loatra any amin’ny faritra hafa sy ny fandaniam-bola diso mihoa-pafana. Misy endrika iray mateti-piavy kanefa tsy midika lalandava fa miodona I Ramose, dia eo amin’ny fahazotoana manao firaisana ara nofo amin-dravehivavy. Raha efa nahazatra ny isan’ny firaisana isan-kerinandro ka mihena amin’iny dia matetika misy zavatra mitranga any amin’ny toeran-kafa. Nefa araka ny voalaza teo tsy voatery  ho fiodinan-dramose no anton’izay.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire